<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>494</hymn_number>
<title>O, ry zanahary FFPM494</title>
<lyrics>[V1]
 O, ry Zanahary,
 Izay nahary ahy,
 Be ny herinao!
 Manan-toky aho,
 Fa tsy maty taho,
 Manana Anao ;
 Afa-po ny zanakao,
 Hianao no Ray Mpiahy,
 Ka iza no hanahy !

[V2]
 Hianao no Raiko
 Tena fototr'aiko,
 Sady heriko.
 Hianao no aro,
 Tsy ho reraka aho,
 Tsy ho kivy fo ;
 Ao ambany elatrao
 No ataoko fiereko ;
 Ao tsy misy sento.

[V3]
 Latsaka isan-andro
 Toy ny ranonando
 Ny fitianao.
 Raha alaim-panahy,
 Ka manafotra ahy
 Re ny otako,
 Dia ho tafatsangana
 Hanavao ny herin'aiko
 Hianao, ry Raiko.

[V4]
 Ary raha lany
 Toy ny zavon-tany
 Ny fiainako ;
 Misy onin'aina
 Tsy mba mety maina
 Ao an-danitrao ;
 Ao no hitoerako,
 Ao an-tranonao, ry Raiko,
 Ao no antenaiko.</lyrics>
<author>Gud Skal Alting Mage</author>
</song>